• Nandray ny asa maha Filoham-panjakana azy, nanomboka androany 17 oktobra 2025, ny Kolonely Randrianirina Michaël. Tontosa teny amin'ny Lapan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana androany, ny lanonam-pitsarana manetriketrika, nadraisana ny fianianany amin'izany maha Filoha azy izany... • Nametra-pialana ny Governoran'ny Faritra Matsiatra Ambony, Lova Paupil Razfindrafito. Fametraham-pialana noho ny fiovan'ny fahefana sy ny rafitra vaovao, araka ny nambarany... • Nivoaka tamin'ny fahanginany ary nanao fanambarana ho an'ny vahoakan'Antananarivo Renivohitra androany, ny Ben'ny Tanana Harilala Ramanantsioa. Fanamby napetrany, hoy izy, ny fanadiovana sy ny fandaminana mba hisy fiantraikany mivantana ho an'ny mponina ny asa atao...