♦ Laharam-pahamehan'ny filoham-panjakàna ny Kôlônely Randrianirina Mickaël ny hamaha ireo olana sosialy nidinan'ny vahoaka an-dalambe farany teo. Hampihatra ny pôlitika fitsitsiana koa ny fitondrana. Tontosa omaly teny Ambohidahy ny lanom-pitsaràna nanaovany fianianana... ♦ Tsy hita ny tombontsoa azon'i Madagasikara tao amin'ny vondrona afrikana hoy ny Jeneraly Lylison ka tokony handini-tena izy ireo mialohan'ny handraisany fepetra... ♦ Ho sarotra ny miandry an'i Madagasikara manoloana ny fanapahan-kevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Vaindohan-draharahan'ny fitondrana ankehitriny ny miantso fikaonan-doham-pirenena hamahana ny olana samihafa...