♦ Ho ampahafantarina ôfisialy amin'ny alahady 9 novambra ho avy izao ny Baiboly Masina Katôlika misy fanazavana. Naharitra 9 taona ny fanavaozana ny Baiboly Masina Katôlika... ♦ Mitaky ny handoavan'ny Ravinala Airport ny vola mitentina 16 tapitrisa Euro, manodidina ny 80 miliara Ariary sara-pitantanana ny seranam-piramanidina Ivato sy ny Nosy-Be ny mpiasa eo anivon'n Adema... ♦ Manamafy ny mpiasa eo anivon'ny ministeran'ny fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa fa tsy tokony atambatra amina ministera hafa, araka ny feo mandeha, io ministera io fa omena ny lanjany manokana...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...