♦ Nampahatantarina omaly teny Iavoloha ny Praiministra lehiben'ny governemanta amin'izao fitondràna vaovao eto amin'ny firenena izao. Voatendry ho amin'izany andraikitra izany Andriamatoa Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Hiatrika ny fivoriana ara-potoana faharoa amin'ity taona ity manomboka anio ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Fivoriana tsy maintsy handaniana ny Lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna ho an'ny taona 2026... ♦ Hangata-panazavàna amin'ny HCC momba ny fanapahana navoakany ny 14 oktobra teo ny CENI... ♦ Miharatsy ny fifandraisana ara-diplômatika eo amin'i Colombie sy Etats-Unis...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...