♦ Tsarao amin'ny asa vitako aho hoy ny praiministra, izy izay mametraka ny fanajana, ny fihavanana ary ny fiaraha-mientana hanarenana ny firenena, nandray ny toerana maha praiministra azy ny maraina teo moa Andriamatoa Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Miato ary hahemotra avokoa ireo fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakàna araka ny fanapahana navoakan'ny filohan'ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara Kôlônely Michaël Randrianirina androany... ♦ Misy andian'olona mitady haka fahefana tsy ara-dàlana ka mitaky ny fanesorana ireo lehiben'ny Fokontany ao Antananarivo renivohitra...