• Ho avy tsy ho ela ny fananganana ny Governemanta, hoy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo androany, teny amin'ny Lapam-panjakana Mahazoarivo. Governemanta hiasa sy hanome vokatra fa tsy ho lany andro amin'ny kabary, raha ny fanazavany... • Horaisin'ny Vikaria Manodidina Atsinanana ny fanokafana ofisialy ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika ato amin'ny Diosezin'Antananarivo. Hotanterahana ny zoma 24 oktobra 2025 izany... • Mbola mitana ny “Service zéro” ireo mpampianatra mivondrona ao anatin'ny Mpanabe Manova Ifotony na MMI. Milaza ny mbola hampiato ny asa fampianarana eny anivon'ireo liseam-panjakana maro eto Antananarivo sy any amin'ny faritra, izy ireo...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...