• Mbola hanadihady tsara ny zava-misy ny SADC, tao aorian'ny fiovam-pitondrana eto Madagasikara. Nihaona tamin'ireo Solombavam-bahoaka indray izy ireo androany, niresaka momba ny toe-draharaha politika eto amintsika... • Ahiana hikatso ny raharaha eny anivon'ny Fitsarana manerana ny nosy, noho ny fe-potoana nomen'ny Sendikan'ny Mpitsara. Ho tapitra rahampitso izany fe-potoana izany, hitakian'izy ireo ny hijerena ireo olana momba ny raharaham-pitsarana... • Miverina indray ny asan-dahalo mahery vaika, any amin'ny Distrikan'Antanimora Atsimo, Faritra Androy. Misy ireo manararaotra ny savorovoro politika eto amin'ny firenena, hoy ny Depiote voafidy tany an-toerana...