♦ Mety hivoaka anio ny anaran'ireo ministra mpikamban'ny Governemanta hotarihin'ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo. Anio amin'ny 11 ora no hampahafantarina izany, raha tsy misy ny fiovàna... ♦ Ankizivavy 13 taona no namoy ny ainy, noho ny firehetana trano tetsy amin'ny foibe Loterana Ambohibao omaly. Adim-pamantaran'ora telo vao voafehy ny afo, hoy ny fitantaran'ireo nanatri-maso... ♦ Manomboka ny fanadiovana ny Anjerimanontolo. Hesorina nanomboka omaly ireny voamarina fa tsy mpianatra nefa mipetraka ny mibodo ny trano natokana ho azy ireo eny amin'ny Cité Ankatso...