♦ Mety  hivoaka anio ny anaran'ireo ministra mpikamban'ny Governemanta hotarihin'ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo. Anio amin'ny 11 ora no hampahafantarina izany, raha tsy misy ny fiovàna... ♦ Ankizivavy 13 taona no namoy ny ainy, noho ny firehetana trano tetsy amin'ny foibe Loterana Ambohibao omaly. Adim-pamantaran'ora telo vao voafehy ny afo, hoy ny fitantaran'ireo nanatri-maso... ♦ Manomboka ny fanadiovana ny Anjerimanontolo. Hesorina nanomboka omaly ireny voamarina fa tsy mpianatra nefa mipetraka ny mibodo ny trano natokana ho azy ireo eny amin'ny Cité Ankatso... 

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...