♦ Ampahafantarina amin'izao antoandro izao eny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha ireo ministra mpikamban'ny Governemanta vaovao. Mpanao politika maromaro no tazana mandrafitra izany... ♦ Nisy andian'olom-pirenena nilanja sora-baventy teny anoloan'ny Ambasady Frantsay ny antoandro teo. Aoka tsy hitsabahan'i Lafrantsa intsony ny fitantanana ny firenena Malagasy hoy izy ireo... ♦ Mitaky ny hanesorana ny Tale jeneralin'ny JIRAMA ny Sendikàn'ny mpiasan'ny angovo sy rano malagasy. Mandrahona hitarika ho any amin'ny fitokonana ihany koa izy ireo... ♦ Nampiakatra ny raharaha nanamelohana an'ingahy Jair Bolsonaro higadra ny mpisolovava azy...