• Nampanantsoin'ny fanjakana eto an-toerana, momba ny raharaha Mamy Ravatomanga, ny Masoivohon'i Madagasikara atsy Maurice. Nodisoin'Andriamatoa Camille Vital ny filazana fa nametra-pialana izy... • Nisy andian'olona nanao fihetsiketsehana indray teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey androany. Nilanja sora-baventy milaza ho tsy mila ny fanoloana ny Ben'ny Tananan'Antananarivo ho PDS, izy ireo... • Nidina an-dalambe sy nanao hetsika teny anoloanan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany, ireo mpianatry ny Sekolim-panjakana sasany ao an-drenivohitra. Nitaky ny hiverenan'ny fampianarana izy ireo...