♦ Nosavaina omaly hariva ny trano fonenan'Andriamatoa Naina Andriantsitohaina noho ny raharaha findraman'ny SMDG vola 11 miliara tao amin'ny CNaPs, nandritra ny maha-ben'ny tanàna an'Antananarivo azy... ♦ Tsy misy antony mazava tokony hanalàna ny ben'ny tanànan'Antananarivo amin'ny toerany hoy ny Ilo-Mada. Milaza ho manohana azy, hamita ny fe-potoam-piasàny ity antoko ity... ♦ Mitaky ny hanatsaràna ny lalàna mifehy ny fiahiana ara-tsôsialy mpiasa ny Fisemare amin'izao fanovàna izao. Tafiditra anatin'izany ny fampiakarana ny latsak'emboka hitombon'ny vola raisina amin'ny fisotron-dronono...