♦ Maty antoka hatrany amin'ny 20 miliara Ariary ny Orinasa JIRAMA mandritra ny hetsika sôsialy sy ny fanakatonana ankeriny ny masoivoho ataon'ny mpiasa hoy ny Ministry ny angovo sy ny akoran'afo... ♦ Tsy afa-miala amin'ireo mpamatsy vola mahazatra isika noho izy ireo mamatsy ny fandaharan'asa anatin'ny FEC sy ny FRD hoy ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Nitombo ny herisetra sy ny fandrahonana amin'ny tompon-tany ara-dalàna ao amin'ny Distrikan'Ambatondrazaka nanomboka ny taona 2023, manjaka any an-toerana ny fibodoana tany ataonà andian'olona...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...