♦ Hampahafantatra ny pôlitika ankapoben'ny Fanjakàna eny Tsimbazaza anio ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo. Hovoaboasana amin'izany ireo laharam-pahamehan amin'ny fitakiam-bahoaka... ♦ Ministra miisa 6 indray omaly no nampahafantatra ny vinany tamin'ireo Solombavambahoaka nandritra ny fiantsoana azy ireo teny Tsimbazaza... ♦ Tsara ny vokatra azon'ny Barean'ny Madagasikara omaly tamin'ny lalao ara-pirahalahiana tany Turquie. Lalao nafahana nanandrana tetik'ady vaovao, hiatrika ny fifanitsanana CAN 2027 amin'ny volana marsa... ♦ Mila famatsiam-bola hatrany amin'ny 70 miliara Euro i Eukraine mandritra ny taona 2026, hiatrehana ady amin'i Rosia...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...