♦ Hosokafana amin'ny fomba ôfisialy ny alarobia 10 desambra izao, raha tsy misy ny fiovàna ny dinika ho fanavaoazam-pirenena, karakarain'ny FFKM. Fampivondronana ny olona rehetra tsy ankanavaka ho fanangonan-kevitra no iraka nankinina amin'ny FFKM... ♦ Tonga nanatitra vata mpanova herinaratra (transformateur) miisa 28 ho an'ny orinasa JIRAMA eny Antanetibe-Ilafy, ny sabotsy 6 desambra teo ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Randrianirina Michaël sy ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Tsy miankina amin'ny fiovam-pitondrana teto Madagasikara ny tetik'asa tanterahan'ny FID tahirim-bola ho an'ny fambandrosoana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...