♦ Hosokafana anio maraina amin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ny fikaonandoham-pirenena. Hitarika izany etsy amin'ny CCI Ivato ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM)... ♦ Hentitra ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien fa tsy tokony hisy teritery ny fanaovana Vaksiny ny ankizy... ♦ Tsy filohan'ny CENI intsony Andriamatoa Dama Arsène Andrianarisedo. Mandray ny toerany omaly Andriamatoa Rakotonarivo Thierry... ♦ Miharatsy indray ny filaminana ao atsinanan'i RDC nanomboka omaly ; manohy ny fanafihany ao ny M23 tohanan'i Rwanda...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...