♦ Fiatrehana ny fetin'ny Noely : Miova kely amin'ny andavanandro, mirona kokoa amin'ny akoho amam-borona amin'ny safidy amin'ny laoka ny fianakaviana raha ny fanadihadiana natao... ♦ Hiasa hatramin'ny 10 ora alina ireo fiara fitanteram-bahoaka ao Antananarivo-renivohitra mivondrona eo anivon'ny UCTU amin'izao fety izao hoy ny filohany... ♦ Tsy tokony hisy ny olan'ny famatsiana rano ho an'Antananarivo renivohitra sy ny manodidina mandritry ny fety mitohy hatrany mantsy ny asa famatsiana rano ataon'ireo fiara vaventy hoy ny JIRAMA... ♦ Mangataka ny mba hampitsaharana ny ady mandritry ny fetin'ny Noely ny Ray Masina Léon XIV...