• Efa an-dalana ny famahana ny olan'ny jiro sy rano, votoatin'ny tolona natao farany teo. Izay no nambaran'ny Praminisitra Herintsalama Rajaonarivelo, raha nitafa tamin'ny mpanao gazety teny Mahazoarivo izy omaly... • Nesorin'ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena ny tombon-jo tsy ahafahana manenjika ny mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena na ny "immunité parlementaire", ho an'ny Solombavam-bahoka Sahondrarimalala Marie Michelle... • Niova nanomboka androany 5 janoary ny vidin'ny solika eny amin'ny toby mpaninjara izany. Nihena 200 Ariary ny iray litatra amin'ny lasantsy, raha toa ka niakatra Ariary 10 kosa ny Gasoil...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...