• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny faritra avaratry ny nosy, ny Filohan'ny Fanavaozana, ny Kolonely Michaël Randrianirina sy ny delegasiona miaraka aminy. Marolafy ireo fandaharam-potoanany amin'izany... • Nodimandry i Houssene Abdallah. Andraikitra maro teto amin'ny firenena no efa notanany, toy ny naha mpikamban'ny CENI azy, Minisitra ary Solombavam-bahoaka... • Vonona hanome tohana ireo mpianatra afaka Bakalorea, tsy tafiditra eny amin'ny oniversitem-panjakana, ny sekoly ambony ESDES. Misy ny fidirana andiany faharoa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...