• Maro ny haino aman-jery tsy ara-dalana misokatra eto Madagasikara. Manoloana izany dia hisy ny fanadiovana hatao, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina androany... • Hanampiana ireo tanora mitady asa, sy ny orinasa manana tolotr'asa dia hapetraka ato anatin'ny enim-bolana ny “Palteforme numérique nationale de l'emploi - IZAHA ASA”, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra... • Tokony avahana ny fikaonan-doha politika fototra, hirosoana amin'ny fandinihana ny lalam-pifidianana, sy ny fikaonan-doha ho an'ny fanarenana ny toe-karena sy ny sosialy, hoy ny antoko ALFA...