♦ Nankalaza ny andron'ny manamboninahitra ny tafika Malagasy androany, ho fanomezam-boninahitra ny soatoavina sy ny fomba amam-panao ara-miaramila, natao hanamafisana ny firahalahiana sy ny firaisan-kina eo amin'izy ireo... ♦ Mitaky ny hamoahana ny Ministry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, sady solombavambahoaka Sahondraharimalala Marie Michèlle ny fikambanam-behivavy miara-dia sy manohana azy... ♦ Miara-miasa sy manohana ny mpiasan'ny fahasalamana ao amin'ny Hopitaly Anosiala ankehitriny ny iraka mpitsabo Sinoa ; manoloana ny ady amin'ny fiparitahan'ny valan'aretina MPOX...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...