♦ Mitaraina ho marary indray Andriamatoa  Mamy Ravatomanga amin'ny fidirany am-ponja atsy amin'ny Nosy Maorisy. Nampita vaovao momba izany tamin'ny Fitsaràna Bail and Remand Court, omaly, ny mpisolovava azy... ♦ Mitaky ny hamotsorana tsy misy hatakandro an-dRamatoa Marie Michèlle Sahondraharimalala ny fikambanam-behivavy mpanohana azy. Valo andro omaly no nitazonana azy... ♦ Nisy trangan'aretina nendran-drajako 8 hafa indray hita, raha ny tarehimarika farany navoaky ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Tafakatra 207 hatramin'izao ireo tranga MPOX misy eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...