♦ Maniry ny hisitraka ny fanohanana avy amin'ny firenena Arabo-Mitambatra amin'ny fivadihana tsikelikely amin'ny fampiasàna angovo azo havaozina i Madagasikara hoy ny Kôlônely Randrianirina Michaël raha nandahanteny tany Abu-Dhabi... ♦ Ady amin'ny mpiasam-panjakàna "Fantôme" : hanomboka anio 14 janoary ny fanisàna ireo mpiasa eny anivon'ny ministera sy sampandraharaham-panjakàna isan-tsokajiny manerana ny Faritra 24... ♦ Hotanterahana ny alahady 18 janoary 2026 eny amin'ny Ekar Katedraly Andohalo ny fotoam-bavaka ho fanokafana ny herinandro fiaraha-mivavaky ny mpino maneran--tany 2026, ho antsika eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...