♦ Tsy tale jeneralin'ny orinasa JIRAMA intsony ilay israeliana Rhon Weis. Nasolon'ny fitondrana azy ny Jeneraly Hajatiana Rasolomanana. Tontosa omaly ny famindram-pitantanana... ♦ 250 no isan'ny olona nahitàna soritr'aretina nendran-drajako (MPox) araky ny tarehimarika farany. Manentana ny malagasy hitandrin-tena ny Praiministra Rajaonarivelo Herintsalama manoloana ity aretina mora mifindra haingana ity... ♦ Mila ampiharina eto Madagasikara ny tetezamita tena izy amin'ny alalan'ny fanapahana ny repoblika faha-efatra hoy ny HPM. Ifanarahana ny Praiministra hitantana izany tetezamita izany aorian'ny famaritana ny tondro-zotra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...