♦ Nihaona tatsy Afrika-atsimo, omaly, ny filohan'ny Fanavaozana ny repoblika ny Kôlônely Michaël Randrianirina sy ny filoha afrikana tatsimo Cyril Ramaphosa... ♦ Nosoniavin'ny mpanao pôlitika nandray anjara tamin'ilay dinika natao teny Ankorondrano ny fifanarahana pôlitika narafitry ny KFIM. Takiana ny handravana ny andrim-panjakàna sy ny fanafoanana ny lalam-panorenan'ny repoblika fahaefatra... ♦ Valaran'aretina MPox, Faritra miisa 17 no ahitàna olona mitondra ny soritr'aretina. Miisa 78 ny tranga voamarina tamin'ny alalan'ny fitiliana natao miisa 154...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...