♦ Tsy tafiditra ny toeram-piasàny teny Ambohidahy nanomboka ny maraina teo ireo mpiasa sy mpandraharaha eo anivon'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana (HCC)... ♦ Mampatahotra ny fomba fanao pôlitika eto Madagasikara satria tsy mifototra amin'ny tsy fanarahan-dalàna ny fanenjehana olona hoy ny Filoha Lefitra fahafito avy amin'ny fanoherana eny anivon'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Manao fitokonana fanairana ny sendikan'ny mpiasa eo anivon'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana, tsy nahitam-bahaolana mantsy ny dinika niarahan'izy ireo sy ny tompon'andraikitra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...