♦ Tsy mitsaha-mitombo ny isan'ny olona mararin'ny MPox eto Madagasikara. Iray volana mahery nahitàna azy, 395 ny tranga rehetra hita manerana ny nosy, Faritra 20 ankehitriny no misy azy... ♦ Hanaraka ny fivoarana misy eran-tany ny fanavaozana ny fiankohonana sy ny fahiziny eto Madagasikara. Hoampiasaina ny fisoratana anarana biômetrika. Notanterahana omaly teny Anosy ny atrik'asa teknika nandinihana ny momba izany... ♦ Tapa-kevitra ny hanome lanja ny fikarohana hipaka amin'ny fampandrosoana ny fitondram-panjakàna. Natao omaly teny amin'ny lapam-panjakàna Mahazoarivo ny sonia fiaraha-miasa momba izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...