♦  Manohana ny ezaka ataon'i Madagasikara irosoana any amin'ny fitoniana, ny fitantanana ara-demôkrasia ary ny fanamafisana ny andrim-panjakàna misy ny SADC. Nivoitra izany nandritry ny fitsidihana ara-pomba fanajàna nataon'ny irak'izy ireo, teny Iavoloha omaly... ♦ Tohana lehibe ara-toe-karena hampiroboroboana ny jono sy ny toe-karena manga ny voka-pikarohana hoy ny Ministra Chan Kit Way Jaco. Isan'izany ny voka-pikarohana momba ny dingadingana... ♦ Atahorana ho tapaka ny lalana mankany Ambatomanoina, Distrika Anjozorobe, raha tsy misy ny fanamboarana. Maharitra 2 andro no hanaovan'ny mpitatitra dia mampitohy an'i Talata-volonondry sy Ambatomanoina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...