♦ Atahorana ho vaky ny fefilohan'i Sisaony morony havanana any Ampahitrosy. Kaominina maro eny Atsimondrano no nahazo fampitandremana Loza, avy amin'ny APIPA omaly tolakandro... ♦ Olona fito no namoy ny ainy tamin'ny fandalovan'ny rivodoza Fytia, raha ny tatitra farany navoakan'ny BNGRC. Maherin'ny 60.500 ireo traboina, mponina maherin'ny 19.000 voatery nafindra toerana... ♦ Hisokatra ny famoahana ny fahazoan-dalana mikaroka sy mitrandraka harena ankibon'ny tany, rehefa niato nandritra ny 16 taona. Feno ny fepetra hamoahana izany, hoy ny eo anivon'ny ministeran'ny harena an-kibon'ny tany omaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...