♦ Hahemotra amin'ny taona 2027 ny JMJ any Toamasina saika hotanterahana amin'ity taona ity. Fanapahan-kevitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara manoloana ny voina nateraky ny rivodoza Gezani... ♦ Nigadona an-tanindrazana ny delegasiôna malagasy notarihan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika tany Rosia. Fahombiazana ny dia natao tany araka ny fanazan'ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Mbola manamafy hatrany ny météo malagasy fa ho betsaka ny rotsak'orana eto amin'ny Faritra Analamanga anio. Hiseho any Tsaratanàna, Andilamena ary Amparafaravola izany rahampitso...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...