♦ Voaresaka ireo mpikambana amin'ny birao maharitry ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, izay nihaona tamin'ny Papa androany tany Vatican, ny momba ny ho fananganana ho Olomasina ireo Olontsambatra Malagasy ary ny fanasàna ny Ray Masina hamangy an'i Madagasikara... ♦ Zazavavikely 3 taona no maty voalohany tsy nahatohitra ny MPox, hatramin'ny nidiran'ity valanaretina ity teo Madagasikara... ♦ Efa miomana mialoha amin'ny fiatrehana ny mety ho krizin-tsolika vokatry ny ady misy any Moyen-Orient, ankehitriny, ny governemanta Malagasy... ♦ Nomen'i Royaume-Uni fahazoan-dalana hampiasa ireo toby miaramila any Iran i Etats-Unis...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...