♦ Hitontona vanim-potoam-pahavaratra ny datin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny taona 2027, raha ny voarakitr'ilay fandaharan'asa nomena ny SADC. Ny fikaonandoham-pirenena no tokony hamaritra izany hoy Andriamatoa Jean Jacques Ratsietison... ♦ Olona 2 no nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora noho ny fanelezana vaovao tsy marina entina hanakorontanana ny firenena. Nanazava ny momba io tranga io ny Ministry ny serasera sy ny kolontsaina... ♦ Tsy maintsy hisy fiantraikany ara-toekarena eto Madagasikara ny ady any Moyen-Orient hoy ny PMH. Miantso ny Fanjakàna Malagasy hitady vahaolana tsinjo lavitra dieny izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...