♦ Andrasana ao anatin'ny fikaonandoham-pirenena ho an'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ny fomba hitantanana ireo tahirin'andramena hoy ny filohan'ny fanavaozana ny repoblika, Randrianirina Michaël... ♦ Nankalaza ny andro maneran-tany iadiana amin'ny fanararaotana mamoafady mihatra amin'ny ankizy, ny fikambanana ECPAT 360. Nisy ny fanentanana natao tamin'ny mpianatra teny amin'ny Lycée Saint Michel Itaosy... ♦ Nihaino ny fitarainan'ny mpanao gazety ny ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina ka nilaza fa hamoraina ny fikarakaràna ireo antontantaratasy ilaina hangatahana ny mari-boninahi-pirenena...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...