♦ Tonga eto Madagasikara ny vaksiny fanefitry ny MPox, olona 150.000 isa aloha no hisitraka izany amin’izao voalohany izao hoy ny fampitam-baovaon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, androany… ♦ Mikarakara dinika sava-ranonando hanavaozana ny fanaovana politika eto Madagasikara ny vondrona PANORAMA, androany, mila havaozina hoy izy ireo ny fanaovana politika mba ho tsy fitadiavana seza pôlitika fotsiny ihany… ♦ Dahalo an-jatony no nanafika Fokontany iray tany amin’ny Kaominina Isoanala, Distrika Betroka, androany. Niditra an-tsehatra naka ireo omby ireo lasan’ny dahalo ny angimby an’ny Tafika Malagasy…