♦ Efa tonga eto Madagasikara ny vaksiny ny andian’ny voalohany iadiana amin’ny MPox, maimaimpoana ny fanaovana izany ary an-tsitra-po hoy ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka… ♦ Misy ireo vondrona pôlitika mikarakara dinika, hanavaozana ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara, mitombo isa ihany koa etsy ankilany ny antoko pôlitika. Tafatsangana ny antoko RPM… ♦ Dahalo an-jatony no nanafika tao amin’ny Fokontany Besevoka, Kaominina Isoanala, Distrika Betroka, omaly antoandro. Nampiasaina tamin’ny fanarahan-dia ny angidim-by an’ny Tafika Malagasy…