♦ Nanambara Andriamatoa Ratsietison Jean Jacques fa tsy misy akony amin'ny toe-karena eto Madagasikara ny fanitsiana ny vidin-tsolika isam-bolana. Mila miroso amin'ny sandam-bola tsy miovaova isika amin'izao fotoanan'ny fanavaozana izao hoy izy... ♦ Niabo ny vokatra azo tamin'ny tetik'asa ProSol nofaranana tamin'ny fomba ôfisialy tamin'ity herinandro ity. Tetik'asa vaovao hanamafy ny fahasalaman'ny tany indray no mandimby azy... ♦ Fankalazana ny andron'ny 8 marsa, mitondra ny anjara birikiny manamafy ny fahaizan'ny vehivavy sy ny tovovavy hifehy ny nomerika ny ministera misahana ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...