♦ Nametra-pialàna ireo mpikamban'ny birao maharitry ny CENI miisa valo. Efa tafapetraka teny amin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana eny Ambohidahy ny 5 marsa teo ny taratasy fampahafantarana momba izany... ♦ Tsy tokony hanana zo handiso ny fitantanana ny raharaham-pirenena intsony ny mpitondra amin'izao sy ny ho avy eo hoy ny Transparency International Initiative Madagasikara. Maro ny zavatra simba noho ny fanaovana ampihimamba ny Fanjakàna hoy ny TIIMG... ♦ Nofaranana androany tamin'ny alalan'ny fitsidihana ny toeram-pambolem-bary tao Manakasina, Ambohimanga Rova sy tao Mahitsy ny fahaonambe faha-10 ny CARD...