♦ Olona mamaly ireo fitakiana natao teny an-kianja no tokony ho eo amin'ny toeran'ny mpanatanteraka hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine, andrasana ny tapak'andro hariva izao moa ireo mpikamban'ny governemanta vaovao... ♦ Nanao fitokonana fanairana tao Vodiala, distrikan'Ambatondrazaka ny maraina teo ireo tantsaha mpamboly ao Ambatondrazaka sy Amparafaravola... ♦ Eny anivon'ny Fitsaràna Ambaratonga Voalohany irery ihany no hanaovana ny fangatahana bulletin numéro trois, hosoko ny ankoatra izay hoy ny teo anivon'ny firaketan-draharahan'ny Fitsaràna Anosy...