♦ Natolotry ny Ministry ny Fanajariana ny Tany ny jeneraly Lylison René de Rolland ho an'ny mpandova ny tany mirefy 29 Ha mahery kely eny Antanandrano, kaominina Ankadikely, rehefa niadiana nandritra ny 26 taona, tamina orinasa tsy miankina iray... ♦ Tokony ho sahy hijoro hilaza ho antoko mpanohitra ireo antoko izay nanambara fa manohana ny fitondrana fanavaozana, nefa etsy andaniny mamely ankolaka sy manenjika ny fitondrana hoy ny filohan'ny fikambanana Za Gasy... ♦ Tsy mbola ampy mahavelona tokan-trano eto Madagasikara ny karama 1.000.000 Ariary isam-bolana amin'izao hoy ny CTM, Fiaraha-midiniky ny Mpiasa Malagasy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...