♦ Fikorontanana noho ny fandaminana avy amin'ireo orinasa mpaninjara solika sy ny fiakaran'ny filàn'ny mpanjifa no mahatonga ny tsy fisian'ny lasantsy amina tobin-tsolika sasatsasany amin'izao hoy ny OMH... ♦ Hihaona amin'ny MInistry ny Fahasalamam-bahoaka hiresaka momba ny olan'ny fahataran'ny pré-salaire an'izy ireo anio ny Union de Internes de Madagascar (UIM)... ♦ Tanterahina ny talata 14 avrily izao etsy amin'ny CCI Ivato ny fanokafana ny Fikaonan-doham-pirenen'ny Tanora hiarahana amin'ny ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahantena...