♦ Rariny, ary lôjika pôlitika ny fitakian'ny tanora Génération Z, handravàna ireo andrim-panjakàna samihafa eto Madagasikara hoy ny Filoha Lefitry ny antoko R.P.M.U... ♦ Tsy misy afa-tsy 11 tapitrisa Dolara monja ny teti-bidin'ny entana nahondrantsika Malagasy tany Maroc ny taona 2025. Mbola malalaka azo trandrahan'ny mpandraharaha Malagasy ny tsena Marokanina... ♦ Nomarihana omaly zoma 10 avrily ny andro ho an'ny asa soa mendrika tsara manerantany... ♦ Maniry ny hirotsaka ho fidiana filoham-pirenena any Etazonia amin'ny taona 2028, Andriamatoa hunter Biden, izay zanaka lahin'ny filoha teo aloha Joe Biden...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...