♦ Namaly ireo tanora Gen Z sy ireo mpanao pôlitika mitaky ny fandravana ny rafi-panjakàna sy andrim-panjakàna misy ankehitriny, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena androany, tamin'ny lahateny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana eny Tsimbazaza... ♦ Misy ny fanehoan-kevitra samihafa momba ny fanendrena Sefo Fokontany... ♦ Nitrangàna hay trano tany amin'ny kaominina Tsaravinany Mahanoro omaly. Miisa 87 tafo ireo trano may tamin'izany... ♦ Nifampiampanga tamin'ny fandikàna ny fampitsaharana ny ady noho ny fankalazana ny Paka Ortodoksa i Ukraine sy i Rosia...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...