• Tsy mankasitraka ny fandravana ny andrim-panjakana misy eto amin'ny firenena ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Siteny Randrianasoloniaiko, raha nandaha-teny tamin'ny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana androany teny Tsimbazaza... • Tsy niandry ela, fa taorian'ny fanokafana fivoriana androany, dia nampahafantatra ny fandaharan'asa ankapoben'ny fanjakana, na ny PGE, ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana androany tolakandro, teny amin'ny Lapan'i Tsimbazaza... • Ampy ary tsy misy atahorana ny famatsiana solika eto Madagasikara, efa nigadona tao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina androany ny sambo mpitondra solika, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...