♦ Fanavaozana : Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy ny antoandro teo ny fikaonandoham-pirenena ho an'ny tanora. Nifandimby nitondra ny hetahetany ireo tanora vitsivitsy nisolontena ny isam-paritra.... ♦ Tsy ampy hitsaràna ny fitondràna ho tsy mankany amin'ny fanavaozana ny dimy volana, hoy ny tanora mpanao pôlitika Nambinina Raherimampianina... ♦ Misokatra amin'ny olon-drehetra manomboka izao ny fanaovam-baksiny fanefitry ny Monkey-Pox. Mbola latsaky ny 10.000 ny olona vita vaksiny, tato anatin'ny iray volana... ♦ Mitady izay fomba hampiatoana mandritry ny 20 taona ny fandaharan'asa nokleary iraniana i Etazonia, ankehitriny...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...