♦ Mitaky ny hamoahana an'i Herizo Andriamanantena, mpitarika ny Gen Z, ny sendikàn'ny Enjeniera momba ny Fambolena eto Madagasikara. Naneho ny alahelony izy ireo amin'ny fisamborana Olom-pirenena noho ny fanehoan-kevitra... ♦ Nisehoana lozam-pifamoivoizana an-dalam-by teny Ambohimanatrika-Andohaavato, Kaominina Tanjombato, androany maraina. Olona telo naratra, trano roa rava tanteraka voakatr'izany... ♦ Hapetraka ho nosy filamatra tsy misy fako plastika i NOSY BORAHA (Sainte Marie). Mikarakara atrik'asa momba izay ady amin'ny fiparitahan'ny fako plastika izay ny Ministeran'ny tontolo iainana...