• Tsy hita taratra ny fitsitsiana ny volam-bahoaka nodradradraina. Fandaniam-bola fahatany no nataon'ny fitondrana tany amin'ny hetsika tany Toliara, hoy ny antoko VAMI, androany... • Naneho ny ahiahy amin'ny fisian'ireo olona voasambotra noho ny fanehoan-kevitra mitaky fanovana, ny Sendikan'ny Mpampianatra Mpikaroka, Sampana Antananarivo. Namoaka fanambarana momba izany izy ireo... • Nahazo fanampiana ara-tsakafo milanja 5.000 taonina avy amin'ny Amerikana i Madagasikara. Hamonjy aina sy hanampy olona hatrany amin'ny 3 hetsy any amin'ny faritra atsimon'ny nosy izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...