• Hanatanteraka varavarana misokatra ny zoma sy ny sabotsy izao ny CNTEMAD. Hampahafantarina mandritra izany ny fiovan'ity foibe fampianarana ampitain-davitra ity ho oniversitem-panjakana an-jotra mampiasa ny tontolo nomerika. Tontosa androany koa ny sonia fiaraha-miasa eo amin'ny CNTEMAD sy ny Radio Don Bosco... • Miantso ireo fikambanana misy ny tanora Gen Z mijoro ara-dalana ny Praiminisitra lehiben'ny Governemanta, Rajaonarison Mamitiana, hifampidinika amin'ny zoma maraina ho avy izao... • Atao anaty fanarahan-dalana avokoa ny asa sy ny fanapahan-kevitra raisina na tsy misy intsony aza ireo Mpanolotsain'ny Tanana, hoy ny Filohan'ny Delegasiona Manokan'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra...

[Miara-dàlana] Zoma 31 jolay 2026

• Tonga ao amin'ny Diosezin'Ambanja ny relikan'i Masindahy François d'Assise... • Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny “Aumônerie Catholique de l'Administration Pénitentiaire” (ACAP) eto Madagasikara... • Mamarana ny fankalazana ny faha-100 taona nahatongavany teto Madagasikara ny Fikambanana Trinitera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...