♦ Hiatrika fivoriana ara-potoana manomboka rahampitso ny Antenimieram-pirenena. Andrasana ny hevitry ny eny Tsimbazaza momba ny nisamborana ny naman'izy ireo dia ny solombavambahoaka Naivo Raholdina... ♦ Miala any ny famolavolana lalàna hiarovana ireo mpampaneno lakolosy (lanceur d'alerte). Mety hatolotra hodinihina eny amin'ny Antenimieram-pirenena amin'izao fivoriana ara-potoana izao io volavolan-dalàna io... ♦ Hosoloina ny bozaky ny kianja Barea Mahamasina, hahazoana ny fankatoavan'ny CAF. Hanapa-kevitra momba izay karazam-bozaka hasolo ny misy amin'izao ny Fanjakàna amin'ity herinandro ity...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...