• Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy androany ny fivoriana ara-potoana voalohany ho an'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Hibahan-toerana amin'ity fivoriana ity ny fanitsiana ny lalana mifehy ny tetibolam-panjakana ho an'ny taona 2026... • Tanterahana eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, ny herinandron'ny Vondrona Eoropeana. Mitentina 1 miliara Euro, na manodidina ny 5.000 miliara Ariary ny tetik'asa fampandrosoana anohanan'ny Vondrona Eoropeana antsika Malagasy... • Nametra-pialana tsy ho mpandrindra nasionalin'ny CT OJM intsony i Andry Raharison. Efa nisy anefa ny fanendren'ny mpikambana ny mpandrindra nasionaly vaovao ny 30 avrily 2026...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...