♦ Mizotra atsy Kenya nanomboka ny antoandro teo ilay fihaonana antampony momba ny toe-karena eo amin'i Frantsa sy Afrika. Anisan'ireo Filoham-panjakàna 30 miatrika izany ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika... ♦ Olona maromaro no tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo faobe, noho ny fihinànana "composé". Mbola misy amin'ireo narary no mbola manaraka fitsaboina eny amin'ny Hôpitaly hatramin'izao... ♦ Manomboka miha-simba ary ahiana ho faty ilay Baobab lehibe indrindra eto Madagasikara hita any amin'ny Distrikan'i Morombe Faritra atsimo-andrefana. Baobab manana haavo mihoatry ny 28 metatra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...