♦ Mila miomana dieny izao ny mpiantsehatra rehetra hiatrika ny fikaonandoham-pirenena hoy ny Kômity Fanorenana Ifotony an'i Madagasikara (JFIM). Mila manaraka ny tarika hitondran'ny FFKM ny rehetra hoy Andriamatoa Guy Maxime Ralaiseheno... ♦ Haverina indray ny fitandroana ny fifamoivoizana ataon'ny pôlisim-pirenena manerana ny nosy (Police de la route). Herinandro no omena ireo mpisehatra amin'ny fitanterana sy ny fifamoivoizana hoy izy ireo ka hihatra amin'izay ny sazy... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany ho an'ny tantely. Miantso ny rehetra hitandro ireny bibiky ireny mpamokatra sakafo ireny ny MAM...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...